airtel

kolontsaina

10-nov-2021

kolontsaina

Gérard Ramamimampionona - CFM “Tontolo iainana mila arovana koa ny soatoavina”

Sample post image

Tsara faritana kely ihany angamba, hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gérard Ramamimampionona,

10-nov-2021

ny atao hoe tontolo iainana, nananatra ny fomba fitoloman’ireo tanora Malagasy miteraka resabe tato ho ato mikasika izany. Lasa amin’ny zavatra kiteritery ihany isika, hoy izy, hoe ny tontolo iainana dia ny rivotra sy masoandro ary orana sy ala ihany. Izay manodidina anao rehetra dia tontolo iainana daholo. Ny olombelona manodidina anao koa dia tontolo misy eo. Ny kolontsaina sy ny fomba fiainana koa ka aoka isika hanana fomba fijery malalaka kokoa! Ny fahantrany sy ny fahorian’ny olona koa dia isan’ny tontolo ivelarany. Maro ilay izy ary mifandray daholo. Napetraka eto isika hiasa sy hikolokolo ity tontolo iainana ity hahafahantsika miadana hoe ireo ny rano, ny masoandro, ny zava-maniry. Samy tokony ho saro-piaro amin’izany ny rehetra fa tsy hoe miaro ny tontolo iainana dia ny olona indray no hifamono na manimba ny kolontsainy. Isany tontolo iainana arovana ny soatoavina sy ny fahendrena. Aoka mba hitandrina, handanjalanja na ny teny na ny fihetsika mba tsy ho tonga amin’ilay tenina mpanakanto iray hoe miha simba ny tontolo satria ny olombelona no simba. Ny olombelona no mila kolokoloina voalohany ahafahany mikolo ny manodidina azy, hoy hatrany ity filoha lefitry ny CFM ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap