airtel

kolontsaina

19-juin-2026

GLOBAL DATA FESTIVAL 2026

Nasehon’i Mirado R tany

Sample post image

Nairobi ny tetikasa « MARINA VE ? »

19-juin-2026

80%-n'ny tanora eto Madagasikara no tsy an'asa. Marina ve? ». Io no fanontaniana nosafidian'i Mirado Rafenomahenintsoa hanokafana ny fandraisam-pitenenany nandritra ny Global Data Festival 2026, izay natao tany Nairobi, Kenya, ny 2 ka hatramin'ny 5 Jona 2026 lasa teo. Mpianatra nivoaka avy tao amin'ny IT University sady mpanorina ny DataBridge Madagascar, Mirado dia nandray anjara tamin'ity fihaonambe iraisam-pirenena ity tamin'ny maha Data Values Advocate azy ao amin'ny Global Partnership for Sustainable Development Data (GPSDD).Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia naneho ny tetikasa MARINA VE izy, izay hetsika novolavolain'ny DataBridge Madagascar mba hanampiana ny tanora hampivelatra toe-tsaina mitsikera manoloana ireo isa sy antontanisa ampiasaina eo amin'ny sehatra ampahibemaso. Ny tanjon'ny tetikasa dia ny hamporisika ny olona hametra-panontaniana momba ny loharano, ny tontolo misy ary ny fetran'ireo tarehimarika ampitaina aminy.Ankoatra ny fampahafantarana ny tetikasa MARINA VE?, dia nandray anjara tamin'ny adihevitra momba ny anjara toeran'ny tanora eo amin'ny fanavaozana mifototra amin'ny data ihany koa i Mirado, ka nizara ny traikefa sy ny zava-misy iainan'i Madagasikara.Ny Global Data Festival dia fihaonambe iraisam-pirenena mampivondrona ireo manampahaizana, fikambanana iraisam-pirenena, mpikaroka, mpanao politika ary tanora mpitarika avy amin'ny firenena maro maneran-tany mba hifanakalo hevitra momba ny data, ny faharanitan-tsaina artifisialy ary ny fampandrosoana. Taorian'ny fihaonambe dia nanamarika i Mirado fa zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara ao anatin'ireo adihevitra iraisam-pirenena. Araka ny nambarany, raha tsy mandray anjara amin'ireny hetsika ireny i Madagasikara, dia iza indray moa no hitondra ny fomba fijery sy ny zava-misy eto amin'ny firenena mba aseho ho fantatr’izao tontolo izao ? DataBridge Madagascar dia hetsika tarihin'ny tanora, miasa amin'ny fanabeazana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny tanora Malagasy eo amin'ny sehatry ny data sy ny faharanitan-tsaina artifisialy.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

Ny finoana sy ny fanahy no fototry ny fiainan’ny Malagasy taloha »

Card image cap
18-juin-2026

ireo notolorana mari-pankasitrahana

Card image cap