airtel

kolontsaina

08-mars-2021

kolontsaina

Goth , Poon, Pathy Andréas , Malalanirainy… Hihira an’i Jean Jacques Goldman sy Francis Cabrel

Sample post image

Ireo vazon-dry Jean Jacques Goldman sy Francis Cabrel indray no ho hirain-dry Goth ,

08-mars-2021

 

 

 Poon, Tojo, Jimmy Harison, Nate tex , Elsie , Pathy Andréas , Malalanirainy mandritry ny hetsika Integral’s Night ny alin’ny 12 martsa izao etsy amin’ny Plaza Ampefiloha. Toy ireo andiany hafa rehetra tany aloha dia ho entin’ireto mpanakanto malagasy ireto amin’ny endriny mampiavaka azy ireo izay hira sy famoronana nahafantarana hatramin’izay ireto andrarezin’ny mozika frantsay ireto izay. Mpanakanto samy manana ny maha izy azy eo amin’ny lafiny mozika ihany koa, indrindra, ny lafiny feo izy valo mianadahy ireto ka inoana fa tsy ho diso fanantenana ireo ho avy eny an-toerana, hoy ny mpikarakara. « C’est écrit », « Je te donne », « Comme toi », « Rosie », « Je t’aimais, je t’aime, je t’aimerai », «A nos actes manqués» sy ireo hafa rehetra izany no hiandry ny mpankafy amin’ny endriny hafa indray amin’io fotoana io.

J. Mirija

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap