airtel

kolontsaina

03-juin-2026

Hafana ny fampisehoan’ny

Groupe Tirike ao Paris, Sceaux, Toamasina

Sample post image

Hanao « collectes des fonds » hanaganana efitranon-tsekoly any Ampanihy

03-juin-2026

Hafana ny fampisehoana sy ny hetsika hataon’ny Groupe Tirike any ampitan-dranomasina amin’ity volana jona ity, mialohan’ny handalovany indray eto Madagasikara. Voalohany ny 13 jona 2026 izao, miaraka amin’ny « MENABE Solidaire » ao Paris, ary ny 20 jona kosa dia hanao « Collecte des Fonds » hatao miaraka amin’ny Association SOATATA ao Sceaux, any Hauts-de-Seine, région Île-de-France. Tanjona ny hananganana efitranon-tsekoly ho an’ny oniversite vaovao any Ampanihy Andrefana. Vita io dia hitodi-doha aty Madagasikara ka hanafana ny faha-10 taonan’ny FI ZA A (Fikambanan’ny Zanaka Atsimo Andrefana ao Toamasina) ao Toamasina izay toerana be mpanohana ny Groupe TIRIKE, ka inoana fa tena tena hafana sy hangotraka ny ambiansy. Mitohy ny dian’ny tarika Tirike amin’ny fanandratana ny gadona tsapiky maneran-tany satria nialohan’izao dia nandray anjara tamin’ny hetsika lehibe samihafa, toy ny tany Amerika Avaratra tamin’ny alalan’ny hetsika lehibe nisoloana tena an’i Madagasikara tany Montréal Canada. Ho an’i Tirike, tsy mijanona ho gadona fotsiny ny Tsapiky fa afaka manampy ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny hetsika firaisankina any ivelany sy eto an-tanindrazana. Tsy vao sambany rahateo i Tirike no nanao hetsika entina hitsinjovana ny mpiray tanindrazana indrindra ny amin’ny Faritra Ampanihy, raha tsy hilaza afatsy ny fanamboarana vovon-drano ho an’ny mponina, fizarana kits scolaires ho mpianatra,… ka tsy mitsahatra manao izany mba hivoaran’ny mpiara-belona, indrindra fa amin’ny lafiny fanabeazana sy ny mahaolona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-juin-2026

Imakaha no fototra nihavian’ny fihavanana»

Card image cap