airtel

kolontsaina

30-déc-2021

kolontsaina

Hanitra Andriamboavonjy « Zava-dehibe ny naha lasa vakoka iraisam-pirenena ny kabary »

Sample post image

Tamin’ny 15 Desambra lasa teo raha tsiahivina no nambara ho ren-tany ho ren-danitra fa nekena ho vaoka iraisam-pirenena ny Kabary Malagasy niarahana tamin’ny UNESCO sy ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina.

30-déc-2021

Tena zava-dehibe ho an’ny FIMPIMA na ny FIkambanan’ny MPIkabary Malagasy izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Hanitra Andriamboavonjy filohany. Efa 58 taona mantsy izao ny FIMPIMA raha araka ny fanazavana nomeny ary nisy hatrany ny ezaka notanterahina tao anatin’izay fotoana lavabe izay nanomezana hasina sy nanandratana ny kabary Malagasy. Anisan’ny nosinganiny manokana ny fanaovana ilay hetsika saina kabary isan-kerinandro, ny namana ao amin’ny internet amin’ny alalan’ny fianarana kabary nanomboka tamin’ny taona 2014, ny takalo dinika amorom-patana izay niarahan’ny mpikambana hatrany….Nody venty ny rano natsakaina hoy hatrany izy, hetsika izay manana tanjona hanandratra sy hanome hasina hatrany ny kabary Malagasy. Notsiahiviny manokana moa fa efa misy manerana ny firenena 12 manerantany ny FIMPIMA amin’izao. Tena tsy atahorana ny fiparitahan’ny kabary Malagasy hoy izy fa vao mainka tena arofanina ho azy aza izany. Ho an’ireo ankizy monina sy mianatra any ivelany ohatra dia tsy maintsy hampianarina teny Malagasy izy ireny vao mahay mikabary, ezaka izay mbola entina hanandratra ny maha-Malagasy hatrany.
Pati
Legende : Hanitra Andriamboavonjy, filohan’ny FIMPIMA !
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap