airtel

kolontsaina

14-mai-2025

Harena voajanaharintsika any ivelany

Tsy mazava hatrany ny momba ireo fiarovana sy fanarenana

Sample post image

Zaza no iantsoana ny fosa lahy 7 taona nalefa tsy ela avy eto Madagasikara nankany

14-mai-2025

amin’ny valan-javaboaharin’i San Diego, Etazonia, ary nalefa any amin’ny valan-javaboaharin’i Rochester, any Angletera mba akana taranaka amina fosa vavy efa tany efa elaela, izany hoe ny taona 2018. Ny fampiterahana tahaka izao dia tafiditra amin’ny tetikasa fiarovana ny zavaboary amin’ny ankapobeny ary fehezin’ny fifanarahana iraisampirenena, hoy ny fanazavana voaray. Tandidomin-doza be ny fosa ankehitriny ka hanaovana ezaka manokana hitandrovana azy tsy ho lany tamingana, raha ny fanazavana ihany. Tsy ny fosa ihany fa fantatra koa ankehitriny hoe ahiana ho lany tamingana toy izany ny karazana tana na «caméléon» malagasy, raha ny fampitam-baovaon’ny gazety siantifika Mongabay ny alatsinainy 12 may teo. Efa ela tsy hita ity karazana tana ity, raha ny fanazavana, no indro fa nipongatra tany amin’ny tampony atsimo andrefan’ny nosy indray. Ny taona 1970 no liana tamin’izy io farany ny siantsa. Mampametra-panontaniana hatrany ny tranga tahaka itony hoe hatraiza izany ny fahafahana sy fahaizan’ny fitondrana malagasy, indrindra, ny fahatokisany sy fanomezany toerana ireo manam-pahaizana malagasy amin’ny fiarovana ireo harem-pirenena voajanahary ireo? Ho feno 22 taona afaka 1 volana koa izao no nametrahana ny ampahan’ny valan-javaboaharin’i Masoala ao Zurich, Soisa. Novaina hoe «Masoala kely» moa ny anarany nanomboka ny taona 2023. Velaran-tany mirefy 11.000 m2 be izao, ahitana karazan-kazo miisa 17.000, karazam-biby 450 ary karazam-biby manana taolan-damosina na «vertébrés» miisa 50 izany toerana izany. Tena mety amin’ireo voahary malagasy ireo ve ny toe-tany sy toetr’andro any Eoropa any sa izay sanatria lavo sy lozotra dia soloina aty hatrany? Hita ho tsy mazava hatrany, araka izany, ity resaka fanarenana harena voajanahary malagasy any ivelany ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-juin-2025

Namoaka mpikabary sangany sy matihanina miisa 400 mianadahy mianaka

Card image cap