airtel

kolontsaina

28-févr-2024

Hasin’ny Zazamanga

«Jereo manokana ny tantsaha!»

Sample post image

Fikambanana mitsangana ara-dalàna sy niforona tao amin’ny kaominin’Ambato,

28-févr-2024

distrikan’Ambohidratrimo, ny Hasin’ny Zazamanga, hoy ny filohany, Sarobidy Rakotondravao. Mazava ho azy, noho izany, hoy izy, raha misehatra betsaka tato amin’ny kaominin’Ambato izahay. Nilatsaka ifotony izahay, niezaka nanentana ireo tantsaha mba hazoto hamboly, hamokatra hahafahana miady amin’ny atao hoe mosary. Nisy koa ny fanentanana azy ireo hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, indrindra, eo ny fanavaozana ny lisi-pifidianana isan-taona dia mba samy hanamarina izany ny isan-tokantrano. Miezaka izahay mijery ny zava-misy sy olana eny ifotony. Matetika ny hitan’ireo mpitondra dia zavatra hafa nefa ny mahazo ny vahoaka zavatra hafa. Izay no mahatonga ilay fiezahanay mamantatra hoe inona marina no zava-misy? Kaominina ambanivohitra i Ambato. Tantsaha daholo ireo mponina. Mamboly vary, tongolo, legioma samihafa. Olana ny lalana. Mandeha dia an-tongotra any amin’ny 40km any vao tonga aty Ivato hivarotra izany vokatra izany. Noho ny haratsian-dalana dia ireo manana fiara afaka mandeha lalan-dratsy no tonga mividy ny vokatra any nefa ny vidin’ny entana dia viravirain’izy ireo amin’izay tiany ka miteraka fatiantoka ho an’ireo tantsaha. Misy, noho izany, ny ezaka fiarahana mitady vahaolana amin’ireo tantsaha ireo manoloana izay zava-misy izay. Ny vahaolana entinay aloha dia ny fanentanana ireo mponina amin’ny asa-tana-maro ary efa nisy ny fiaraha-manatontosa izany. Raha ny lalànan’ny varotra dia ny mpivarotra no mametra ny vidin’ny entana nefa noho ilay haratsian’ny lalana dia ireo mpanjifa indray no mametra hoe vidianay 5000 na 3000Ariary ny vary dia tsy manan-tsafidy ilay tantsaha satria sarotra ho azy ireo ny mampiakatra ireo vokatra. Mitotongana ny fiainan’ireo tantsaha vokatr’izay satria efa miakatra ny vidin’ny masomboly. Ny kojakoja ilaina amin’ny fambolena miakatra. Rehefa miakatra nefa ny vokatra eny an-tsaha dia tsy mifanaraka amin’izay vidim-piainana izay ny fahafaha-miharin’ireo tantsaha ao anatin’ilay izy. Izay no antony hangatahanay amin’ny fitondram-panjakana hoe jereo manokana ny tantsaha! Efa miovaova koa etsy ankilany ny toetr’andro ka tsy mifanaraka amin’ny vaninandro ankehitriny intsony ny masombolin’ireo tantsaha. Mila tekinisianina manokana izy hanoro azy sy hampiofana ao anatin’izany, hoy hatrany ny Hasin’ny Zazamanga.
J. Mirija
Légende : Ry zareo Hasin’ny Zazamanga
 

Dans la même rubrique