airtel

kolontsaina

08-févr-2024

Hasin’ny Zazamanga

«Tsy afaka hitsabo ny tanindrazana

Sample post image

raha tsy mihaino ny mpiray tanindrazana»

08-févr-2024

Taona maro no efa nisian’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga, hoy ny filohany, Sarobidy Rakotondravao. Nisehatra tamin’ny lafiny sosialy, indrindra, ny tontolo ambanivohitra izahay, hoy izy. Betsaka ny dingana efa natao fa ny tanjona dia ny hivoaran’ireo mponina any ambanivohitra mba ho afaka hamokatra sy hahavelona ny tenany amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana. Misehatra an-drenivohitra sy ambanivohitra izahay fa 3 taona izao dia niezaka izahay nisehatra ato amin’ny kaominin’Ambato, distrikan’Ambohidratrimo. Niezaka nitondra ny tantsaha amin’ny lafiny tekinika eo amin’ny fambolena izahay tao. Nampirisika azy ireo ihany koa hametraka herim-po amin’izany satria nareforefo tao ho ao ny tahan’ny famokaran’ireo tantsaha noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Fokontany miisa 3 amin’ireo 15 hatreto no voatety fa ezahana hotetezina daholo izy rehetra mba omena fiofanana ihany koa ho fampitomboany ny vokany. Kaominina ambanivohitra moa i Ambato. 90%n’ny mponina ao angamba tantsaha avokoa. Mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. Miezaka koa izahay mitondra fanampiana eo amin’ny lafiny fialamboly sy fanatanjahantena ho an’ireo tanora toy ny fikarakarana fifaninanana baolina kitra ho an’ireo fokontany. Nisy ny fampiofanana ireo tanora mba hahafahana mifampitaiza amin’izany lafiny fanatanjahantena izany koa. Eo koa ny fitaizana ireo tanora vehivavy amin’ny alalan’ny vakodrazana izay isan’ny kolontsaina koa. Miisa 3000 eo ny hazo volenay isan-taona. Efa vita izany tamin’ity taona ity. Lasa aloha moa ny orana. Tsy miandry tambiny manokana amin’ireo mponina izahay saingy zanatany eto an-toerana moa dia resy lahatra fa rehefa mba misy ihany ny enti-manana dia aleo ampandrosoana ny tanin-drazana. Mafinaritra ny mahita izany tanindrazana mandroso izany. Nahita koa moa ireo mpiray tanin-drazana fa fotoana izao ialan’ny kaominina anaty tsy fahandrosoana dia nangataka ny tenanay izy ireo mba handray andraikitra ka nahatonga ny tenako tapa-kevitra hilatsaka ho ben’ny tanàna eto rehefa avy nifandinika izahay mpikambana. Ny anton’ilay fitetezana fokontany sy firesahana amin’ireo raiamandreny eny ifotony dia satria ianao raha tsy midina eny mihaino ny marary azy ireo tsy afaka hitsabo azy. Tsy afaka hitsabo ny tanindrazana raha tsy mihaino ny mpiray tanindrazana. Haverinay hatrany fa ny fambolena sy fiompiana no hanavotra izao tontolo izao, hoy hatrany ny Hasin’ny Zazamanga, tarihin’i Sarobidy Rakotondravao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique