airtel

kolontsaina

26-févr-2024

Helian, Mage 4

«Tsy manavaka finoana na fihaviana ny tarika»

Sample post image

Mbola ao anatin’ny tarika Mage 4 aho, hoy i Helian,

26-févr-2024

isan’ireo nanorina ity tarika zokibe teo amin’ny fiangaliana ny Rock malagasy ity, niditra mivantana avy anya m-pitan-dranomasina nanazava mikasika ny tarika sy ilay fifantenana na «casting» ho an’ireo te hisolo ny toeran’i Ken, izay mpihira teo anivon’ny tarika ny sabotsy teo. Tsy manavaka finoana na fihaviana na maha lahy na maha vavy ny tarika, hoy izy, fa rehefa vonona ny hanoratra tantara vaovao ao anatin’ny firaisankina miaraka aminay dia raisinay. Efa ao am-poko ny fitiavana ny tarika. Mety tsy dia betsaka ny mahalala fa mbola talohan’ny niatombohan’ny Mage 4 aho dia nanana tarika antsoina hoe Taratra ary rehefa tany Toliara aho no namorona ny Mage 4 satria rava ny Taratra. Ny hirako rehetra tao amin’ny tarika Taratra no nentiko tao amin’ny Mage 4. Nalahelo tamin’izany fotoana izany hoe rava ny tarika Taratra. Rehefa namorona ny Mage 4 kosa dia, hoy aho hoe tiako raha mitohy mandrakizay ity tarika ity. Isaorana ianareo mpankafy nanohana hatrany ary mirary izahay fa hitohy izany fifanohanantsika izany, hoy hatrany i Helian.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique