airtel

kolontsaina

18-août-2025

Hemerson Andrianetrazafy

«Tsy nisy fiovàna ny zotran'ny tantara»

Sample post image

Tsy velon-komana amin'ny azy dia mikolo hafetsena mba hitsetsefana ny hafa,

18-août-2025

hoy ny mpahaitantara, Hemerson Andrianetrazafy, naneho ny heviny manoloana ny fivoaran’ny fifandraisana iraisampirenena ankehitriny mifantoka amin’ny fiaraha-miasan’ny amerikanina sy ny rosianina. Loza ho anao sendra azy fa fandringanana tsotra izao no miandry anao, hoy izy. Tsy nisy fiovàna ny zotran'ny tantara fa biby no milafika ao am-pon'ny tsangan'olona tsy misy fanahy. Izay no fototry ny fibodoana tany, fibodoana fananan'olona, fanjanahantany, fandrombaham-pahefàna sy ny tahaka izany rehetra. Toa miroborobo fatratra izany ankehitriny! Nankaiza ny manampanahy? Inona no ataon'ny mpisaina? Very aiza ny mpitandro hasina ? Very refy ny Zanak'olombelona, hoy hatrany izy!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique