airtel

kolontsaina

01-déc-2021

kolontsaina

Hetsika fanangonam-boky 29. 392 no voaangona tao anatin’ny 3 herinandro

Sample post image

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly Talata tetsy amin'ny Plaza Ampefiloha ny fihaonam-be manodidina ny boky andiany faharoa nokarakarain'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-Pirenena tamin'ny alalan'ny

01-déc-2021

 Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny fampitaovana an-tsekoly (DDIS) sy ireo mpiara-miasa rehetra. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneraly eo anivon'ny minisitera nisolo tena ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena izay nanindry fa "manan-danja ka mendrika ny hanaovana paikady ny fanangonana boky mba ho fanatsarana ny fanabeazana eto amin'ny firenena." Araka ny atontan'isa nomen'ny talen'ny DDIS, dia miisa 29 392 ireo boky voaangona nandritra ny telo herinandro nanaovana ny hetsika. Manampy izany ireo boky Angano miisa 13 izay nandray anjara tamin'ny fifaninanana angano arahin-tsary natokana ho an'ireo ankizy tao amin'ny kilasy T1, T2 ary T3. Nandritra ny fotoana no nanolorana ny mari-pankasitrahana ho an'ireo mendrika tamin'ny fifaninanana. Nisy ihany koa ny hetsika maro nataon'ireo ankizy sy mpianatra naneho talenta ary ireo avy amin'ny ambaratonga ambony kosa dia nanatanteraka adihevitra mahakasika ny filàna ny boky vakiana sy boky ara-teknolojia. Marihina moa fa ny DDIS sy ny Ministeran'ny Fanabeazam-Pirenena dia misokatra lalandava amin'ny fanohanana avy amin'ny mahalala tanana mba hampiroboroboana ny fampianarana amin'ny alalan'ny boky entina hanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara.
Pati
Legende : Nandritra ny fitsidihana ireo trano eva nataon’ny tompon’andraikitra
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap