airtel

kolontsaina

15-avril-2024

HETSIKA SARIKA

Tokony hitarina amin’ny faritra maro

Sample post image

Nifarana Zoma 12 Aprily alina teo ilay hetsika Sarika ho fampandriana fahalemana ny eto amin’ny

15-avril-2024

tananan’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Nidina teny an-kianja namarana izany tanteraka ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police , Rakotoarimanana Herilala, sy ireo mpiara-miasa aminy. Fisafoana an-tongotra sy tamin'ny fiara teny amin’ireo Fokontany voasokajy ho mahamay toy ny teny Sabotsy Namehana, Alasora, 67ha, Andavamamba, Analakely no natao tamin’izany. Tanjona ny hamporisihana sy hankaherezana hatrany ireo polisy eny an-kianja amin'ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany . Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny vahoaka amin'ny asa fitandroana ny filaminana eo amin'ny lafiny rehetra. Tsiahivina moa fa maro ireo vokatra azon’ny polisy nandritra ity hetsika Sarika notanterahin’izy ireo teto an-drenivohitra sy ny manodidina ity. Ankoatra ireo mpangalatra sy mpanendaka tratra dia nisy ihany koa ireo olona tara fodiana avotra teo am-pelatanan’ireo mpanao ratsy. Nisy ihany koa ireo mpivarotra rongony sarona, ireo vaky trano voasoroka….Tsy misy maharatsy ny hetsika tahaka izao amin’ny ankapobeny. Ny mampalahelo ny vahoaka kosa anefa dia marobe ireo toerana tokony hanaovana fisafoana tahaka izao na andro na alina eto an-drenivohitra fa tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Maro amin’ireo mpitandro ny filaminana no tazana mitangorona amina toerana iray nefa ny vaky trano miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika matetika 100 metatra miala azy ireo ihany. Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’izy ireo !

 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Nodimandry omaly maraina tokony hobtamin'ny 7 ora sasany teo amin'ny faha 48 taonany i Andriamazava

Card image cap
26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap