airtel

kolontsaina

16-avril-2024

Hip Hop

Hanao « IVLP » any Etazonia i Lalaina Andrianotahiana

Sample post image

Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program na IVLP

16-avril-2024

miompana amin'ny lohahevitra hoe «Hip Hop and Civic Engagement» i Lalaina Andrianotahiana na Kwincy, mpanakanto misehatra eo amin'ny tontolon'ny Hip Hop sady mpanabe, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ato anatin'ny 3 herinandro, nanomboka omaly, izy dia hanao fitsidihana any Washington, D.C., New York, sy North Carolina ary hihaona amina mpisehatra amerikanina sy mpitarika avy amin'ny firenena maro hafa. Hifanakalo hevitra momba ny anjara toeran'ny kolontsaina Hip Hop amin'ny fiatrehana sy fanoherana ireo fanamby atrehin'ny fiarahamonina toy ny herisetra sy ny fanavakavahana ary ny fidorohana zava-mahadomelina. Ny praograma IVLP no fandaharan'asa fifanakalozana matihanina voalohany an'ny departemantam-panjakana amerikanina mitondra ireo mpandray anjara avy amin'ny sehatra isan-karazany manao fitsidihana fohy any Etazonia ary mamboly fifandraisana maharitra amin'ireo amerikanina mpiray sehatra amin'izy ireo. Mialohan'ny niaingany ho any Etazonia dia niarahaba manokana an'i Lalaina tamin'ny nahavoafidy azy hisitraka ity praograma lehibe ity ny mpanolontsaina momba ny serasera sy kolontsaina eo anivon'ny ambasady amerikanina, Craig Ferguson, raha ny fampitam-baovao omaly hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Nodimandry omaly maraina tokony hobtamin'ny 7 ora sasany teo amin'ny faha 48 taonany i Andriamazava

Card image cap
26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap