airtel

kolontsaina

24-août-2026

Hira tsy lefin'ny taona

Hiaka-tsehatra indray i Nônô

Sample post image

Azo lazaina ho isan'ireo malagasy

24-août-2026

tompon'ny hira tsy lefin'ny taona raha i Nônô na Nônô Rakotondrabe. Ho an'ny mpanakanto, mpihira, mandeha irery tao anatin'ireny vanim-potoana nampitsoaka ny rivotry ny mozika folk ireny dia izy no heverina fa nisongadina indrindra efa hatrany amin'ny taona 1980 tany ho any. Indray nihira taminy moa ny tarika Mahaleo sy ry Lolo sy ny tariny ireny. Hahatsiaro indray ireo nahalala azy fa hamantatra izay mbola tsy mahafantatra amin'ny seho miisa 2 ho ataony ao amin'ny CC ESCA Antanimena ny Alahady 6 Septambra 2026, manomboka amin'ny 3 ora tolakandro, ao amin'ny Havoria Auditorium Anosy indray avy eo ny zoma 11 septambra 2026 amin'ny 7 ora hariva. Jifao dieny izao ny tapakilanao ao amin'ny ketrika.com, araka izany, hoy ny hafatry ny mpikarakara sy ny fampitam-baovao voaray. "Ialahy", "Bedy foana", "7 taona", "Ento aty!", "Lasa aho!", marobe tokoa ireo hira tsy lefin'ny taona nahatsiarovana an'i Nono Rakotondrabe.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

24-août-2026

amin'ny fomba hafa mihitsy

Card image cap