airtel

kolontsaina

01-avril-2021

kolontsaina

Hiran’i Boy Black Misy vahiny mandika tsy nahazo alalana

Sample post image

Misy mpihira vahiny mandika tsy nahazo alalana ny hiran’ilay mpanakanto Malagasy, Boy Black,

01-avril-2021

 

mitondra ny lohateny hoe “Tsy hitambarako”. Araka ny fitarainan’ity mpanakanto ity dia ny mpanakanto magrebianina antsoina hoe “Hicham” no manatontosa izay endrika fangalarana feon-kira na “plagiat” izay amin’ny alalan’ilay hirany mitondra ny lohateny hoe “Ntya Lya” izay nivoaka ny 15 janoary 2021 teo. Ny 1 aogositra 2018 kosa moa, raha tsiahivina no nivoaka ny “Tsy hitambarako”, izany hoe 3 taona nialoha ity “plagiat” ity. Ho hita miandalana eo moa ny tena fanapahan-kevitra ho raisin’I Boy Black manoloana ity tsy fanarahan-dalana eo amin’ny tontolon’ny kanto ity, izay miditra eo amin’ny sehatry ny mozika iraisampirenena mihitsy. Inoana fa tsy hipetra-potsiny manoloana ny zava-misy ity mpanakanto Malagasy tena tompon’ny vokatra ity. J. Mirija Legende: Boy Black

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap