airtel

kolontsaina

07-déc-2022

kolontsaina

Horonan-tsary momba an’i Lalie Tsy nahafaly ny mpanakanto sy ny mpankafy

Sample post image

Niteraka resa-be tamin’ny tambanzotran-tserasera ny horonan-tsary nataon'ny Rtoa iray antsoina hoe Nina Randrianaivo tamin’ i Lalie izay mpanakanto nanana ny toerany teo amin’ny zava-kanto. i Lalie kosa mpanakanto

07-déc-2022

Malagasy isan'ny vehivavy manga ka isan’ny nahafantarana azy ireto ny sangan’asany "Eo anilanao”, “Mbola fay”,...I Nina Randrianaivo dia voalaza fa " Entrepreneur, Femme d’affaire, Directeur Générale et conférencière" izany hoe olona manana ny maha izy azy ihany koa. Nanaitra ny maro anefa ny horonan-tsary nataon’ity vehivavy antsoina hoe Nina Randrianaivo ity: izay raha haravona dia nalainy sary teny an-dalana, avy eo hoe nasainy niditra tao anaty fiara aloha fa hoe: hiresadresaka, nanontanintainy teo, toy ny hoe: fa taiza enao, fa naninona marina,… arahiny hira kely hoe tiako iny hira iny,… I Lalie anefa toa tojo olana, toa olona ao anaty fahalemena sy faharesena no hanaovana horonan-tsary toa nitadiavana laza na “buzz”. Tezitra ny ankamaroan’ny mpanakanto, ary maro ny olom-pirenena no tsy faly tamin’ilay zava-niseho, niantso ny hamafana ilay horonan-tsary, ary dia nofafana ihany. Voalaza rahateo fa tsy nisy fahazoan-dalàna manokana avy amin’I Lalie ilay horonantsary izay miendrika fanalam-baraka azy mihitsy, izay endrika fandikan-dalàna mihoampampana. Mpanakanto voalohany isan’ny niantso ny hamafana ilay horonan-tsary I Nanie izay efa nampiara-peo tamin’I Lalie, ary niangavy ny tsy hanapariahana izany. Latsa-dranomaso ary tena niaka-peo i Bodo raha nahita ilay horonan-tsary. “Efa tsy misy tsy mahalala an'i Lalie amin'io mahazo io izahay saingy fanalambaraka izao hatao azy izao hoy hatrany i Bodo. Nangataka ny hamafana ilay “video” izy raha tsy izay dia hanaovana “signalement” izany. Ny mpanakanto Rosy ihany koa niantso ny famafana ilay horonan-tsary. “…Io “publication” mikasika ny mpanakanto namanay izay tsy misy artista tsy mahafantatra fa nanana olana ara-pahasalamàna izy ary tsy misy hidiran’ilay ramatoa izay fifanampiana ataonay namany azy izay tsy hangalànay dera na buzz . Hitory azy izahay raha tsy manao izany sy miala tsiny izy fa misy ny antsoina hoe “droit à l’image , sy ny “diffamation”. Amin’ny alalan’ny “image dégradante” aeliny…”, hoy i Rossy. Efa nofafan’I Nina Randrianaivo moa ilay horonan-tsary ka asa na hijanona eo na hisy tohiny ny raharaha ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap