miady amin’ny tsy fandriampahalemana tany Mindanao, Filipinina, rehefa nisy ady mafy teo amin’ny vondrona miisa 2 samihafa izay namoizana ain’olona miisa maherin’ny 12.000 teo. Ity horonantsary mitondra ny lohateny hoe “Great Legacy” na “Lova lehibe” ity dia miantso ny olompirenena rehetra manerana izao tontolo izao hisaintsaina ny amin’ny voka-dratsin’ny ady raha mitranga eo amin’ny firenena iray. Misintona ny sain’ireo mpijery ho liana amin’izany kolontsain’ny fandriampahalemana izany ihany koa no isan’ny tanjona. Ny sabotsy izao moa dia hitohy amin’ny fametrahana tranombokin’ny fandriampahalemana manaraka eny Ambohimanarina eny izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana.
J. Mirija
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity