Sangodim-panina» andiany faharoa, araka ny fampitam-baovaon’i Ny Antsa Herizo, izay mpilalao fototra tamin’ny andiany voalohany no manampy ny lafiny ara-tekinika amin’izao andiany faharoa izao. Mbola ho hita anaty tantara ny 80%n’ireo mpilalao tamin’ny andiany voalohany, hoy izy, ary manodidina ny 2 volana no hanodinana ny andiany manaraka ity. Tsy maintsy hisy koa ireo mpilalao vaovao, izay tsy ho vaovao amin’ireo mpijery sinema malagasy ihany koa nefa. Mety hisy koa fandraisana ireo mpilalao manan-talenta hafa heverina ho afaka hiditra ao anatin’ny tantara satria horonantsary somary manana ny toerany izay izy io. Somary fohy ity andiany faharoa ity satria misy fizaràna miisa 60 eo, raha toa ka 150 ny teo alohany. Efa nomen’ny mpanoratra, ny tompon’ny feon-kira ny alalana rehetra. Mamarana ny fandrindrana an-tsehatra na «scénario» sy mamokatra sisa izao no atao. Mbola i Germain Andriamanantena no mpanatontosa. Izy ihany koa no mpandrindra na «régisseur» satria izahay koa efa tsy dia mila fehezina be hoe manao ahoana intsony tahaka ny tamin’ny andiany voalohany, tamin’ireny mbola tanaty fahatanorana moa. Tsy atahorana hampiova ny kalitaon’ny tantara ny isan’ny fizaràna ho 60 satria tamin’ny fotoan’andro mbola somary klasika ny fandrindrana an-tsehatra. Ny ankehitriny somary mahazo toerana kokoa ny resaka mangitakitaka na «suspens» dia nosafidiana izay mba hampafonja kokoa ny tantara, hoy hatrany i Ny Antsa Herizo.
Nangonin’i J. Mirija
Namoaka mpikabary sangany sy matihanina miisa 400 mianadahy mianaka