airtel

kolontsaina

20-juil-2022

kolontsaina

Hosodoko ao Morondava Hifarana rahampitso ny fampirantiana

Sample post image

“Telo andro ho an’ny hosodoko eto Morondava, fanadratana ny kolontsaina sy fanohanana ireo mpahay sary hosodoko”.

20-juil-2022

Io no hetsika karakarain’ny fitaleavam-paritry ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina any Morondava nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy rahampitso 21 jolay, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ankoatran’ny fanomezana lanja ireo mpanakanto dia azo trandrahana tsara ho fanatsarana ny tontolon’ny fizahantany ihany koa ny hosodoko, hoy ny fanentanana sy fanazavana. Hatreto anefa dia mbola isan’ny fitarainan’ny ankamaroan’ireo mpanao hosodoko eto Madagasikara ny fahasahiranan’izy ireo mandafo tabilao iray. Misy amin’izy ireo no tsy mahalavo afa-tsy tabilao miisa 1 na 2 ao anatin’ny 1 volana ary misy aza am-bolana maro hatramin’ny 6 volana any mihitsy vao mahita mpanjifa, raha ny fanadihadiana natao. Ho hita eo araka izany ny ho fivoaran’ity sehatra iray ity aorian’izao fampiratiana izao, raha tsy hiresaka ny ao Morondava manokana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program na IVLP

Card image cap
16-avril-2024

Na dia tao anatin’ny aretina mafy aza ny mpanankato Thierra Bruno tamin’ny taona 2023

Card image cap
16-avril-2024

Faly miantso ny vahoaka rehetra taranak’Ambohidanierana, FJKM Fahazavana,

Card image cap
15-avril-2024

Nifarana Zoma 12 Aprily alina teo ilay hetsika Sarika ho fampandriana fahalemana ny eto amin’ny

Card image cap