airtel

kolontsaina

14-juil-2026

IA, Cover, tsangan’asan’olona…

Tsy ara-dalàna rehefa

Sample post image

tsy nahazoana alalana

14-juil-2026

Mbola tsy nanova ny saran’ny zon’ny mpamorona raisina amin’ny onjapeo sy televizionina ny OMDA na Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona hatramin’ny nivoahan’ny didim-panjakàna ny volana desambra, hoy ny tale jeneralin’ny OMDA, Haja Ranjarivo. Sarany farany ambany no alaina amin’ireo haino aman-jery, hoy izy. Kely dia kely no dikan’izany ny zo raisin’ny mpihira iray raha iray no mandeha no dikan’izany. Ny artista efa mitaky hoe tokony ho jerena aza io saingy mbola tsy niova hatreto. Ny any amin’ny sehatra hafa toy ny magazay, tsena lehibe, hotely sy ny hafa ankoatran’ny haino aman-jery no niova. Ny fisian’ny IA na Ilontsaina artifisialy dia toy ny fivoarana rehetra nisy teo amin’ny tontolon’ny kanto ihany tahaka ny hoe Diska lasa K7, ohatra. K7 lasa CD sy ny toy izany. Tsy tokony ho adino hoe misy ny tompon’ny tsangan’asa. Ny tompon’ny tsangan’asa dia manana zo miisa 2 dia ny zo ara-moraly sy zo ara-bola. Ilay ara-moraly dia hoe tsy azonao ovaina ny tsangan’asany, tsy azonao ovaina endrika. Tsy maintsy apetraka soamantsara koa ny anaran’ilay olona rehefa mampiasa azy. Ny IA moa misy manova ny tsangan’asan’ireo olona efa misy. Tsangan’asa efa misy no novain-drizareo tsy nahazoany alalana tamin’ilay mpamorona. Tsy nahazoany alalana nefa mbola ovainy ilay tsangan’asa. Tsy ara-dalàna ireny IA tsy nahazoana alalana tamin’ny mpamorona ireny. Azon’ny mpamorona soamantsara ny mitory ireny. Tsy voahaja anatin’izay ny zo ara-moraly. Ny zo ara-moraly dia tantanan’ny mpamorona azy raha toa ka ny zo ara-bola kosa no ankinin’ny mpamorona aty amin’ny OMDA hoe rehefa misy mampiasa ny tsangan’asako dia takiako amin’ny haino aman-jery, ohatra. Iny no karaman’ilay mpamorona dia takiany amin’ny OMDA rehefa efain’ireo haino aman-jery mampiasa azy aty amin’ny OMDA. Rehefa ampiasaina ampahibemaso ny tsangan’asan’ny mpamorona dia mandray ny zony izy. Ny teny anglisy hoe «Cover» na «Interprétation» amin’ny teny frantsay dia adikantsika amin’ny teny malagasy hoe Miangaly. Ilay hoe miangaly dia mindrana ianao fa tsy tokony hanova. Raha hanova ianao dia mila maka alalana any amin’ilay mpamorona. Ireny miafina ambadiky ny hoe Cover ireny nefa tsy naka alalana dia tsy ara-dalàna. Ny taona 1998 no nisy fanovàna farany ny sandan’ny zon’ny mpamorona. Ny fiakaran’ny vidim-piainana tao anatin’izay 28 taona iarahantsika mahalala nefa, hoy hatrany ny OMDA.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique