Mafana ny lanonana ara-pomban-drazana sy ara-kolontsaina any amin’ny Faritra Amoron’i Mania amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Anisan’ny miavaka hatramin’izay ny ao amin’ny Faritr’Imady, ka anisan’ny hetsika lehibe akaiky indrindra ny « Lagnonana Firaisambe Zafindrarasoa ». Ny 9 jolay izao no hotokanana any Ankarambito-Tananomby ny tsangambaton'i Rarasoa, razambe niavian'ny Zafindrarasoa. Ny10 jolay, hotanterahina eny Fahizay-Maromandraoka ny Savika goavana. Fotoana anehoan’ny any Imady ny maha izy azy na ara-kolontsaina na ara-toekarena ny tahaka izao, ka miantso an'ireo anatin'ny Imady 3 Toko, indrindra ny Amoron'i Mania, hiara-hanome voninahitra an'i Rarasoa ny mpikarakara. « Dia aza adino hono ny mitondra omby sy tovolahy araka ny fomban-drazana e! », hoy ny fanentanana.
Toky R