Mirana ny zoma 10 martsa izao. Andro zoma io, hoy ny fanentanana, ka heverina fa ho zoma mahafinaritra ao anatin’ny revy akostika nahalalana ireto mpanan-talenta ireto hatramin’izay hatrany. Amin’ny maha “cabaret” na lanonana takariva azy moa dia hifanakaiky kokoa ireo mpanakanto sy ny mpanotrona ao an-toerana amin’io fotoana io. Andrasana araka izany na ny fiangaliana ny famoronan’ireo mpanakanto isanisany fa indrindra koa ireo fikaloana ny sangan’asan’ireo mpanakanto namany hafa amin’izay fomba gasigasy na akostika izay.
J. Mirija
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity