Averiko ihany, hoy izy, fa politika ankapoben’ny fitondram-panjakana io. Hoditr’akondro atsipy amin’ny filoham-pirenena ny fikitihana izany mpitsabo nentim-paharazana izany. Tokony avahana tsara ny atao hoe mpisoloky sy mpitsabo nentim-paharazana. Tsy afaka manao taratasy ny mpitsabo nentim-paharazana iray raha tsy nanana ny “observation clinique” na fankatoavana mifandraika amin’izany. Miainga eny amin’ny fokontany io, mankany amin’ny mpitsabo mpanara-maso na “médecin inspecteur” vao mankany amin’ny ANTM. Izay vao manomboka indray ny fangatahana fahazoan-dalana hiasa sy hanokatra kabinetra. Betsaka ny hiharan’ny tsindry hazo lena amin’ireo mpitsabo nentim-paharazana manoloana izany. Tsy nisy dokam-barotra nanampy ny mpitsabo nentim-paharazana izany tamin’ireny andron’ny COVID ireny fa io rehefa mahomby ny fitsaboana dia misy foana ny mpanatona. Eo no hanaovana antsoavo ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, satria any aminy io no hifatratra. Izy no nanao ny CVO+ sy Pharmalagasy. Maninona ireny no tsy voakitika fa matetika ireo mpitsabo nentim-paharazana madinidinika foana no tratry ny antsojay? Tsy tokony azo ekena intsony izany ary akatoky ny fifidianana isika no vao mainka mitranga izany. Manao antsoavo amin’ny ny filoha izahay, hoy hatrany ny tenany, na dia tsy PDG an’ny FITRAMA intsony aza aho.
J. Mirija
Fombantsika efa hatramin’ny andron’ny Ntaolo ny manome toerana mihaja izay vahiny miantrano ary mampandroso azy eo «avara-patana».