airtel

kolontsaina

25-nov-2021

kolontsaina

Jejy Music Orchestra & Choir Raikitra ny hetsika ny “Mkato i Madagasikara”

Sample post image

Raikira ny hetsika lehibe “Mkanto I Madagasikara” karakarain’ny “Jejy Music Orchestra & Choir”, ivon-toerana manofana sy mampianatra mitendry mozika sy zava-maneno.

25-nov-2021

Hetsika ara-kolontsaina momba ny mozika fanaon’izy ireo isan-taona io, ka ny voalohany dia hotanterahina ny 28 oktobra ho avy izao manomboka amin’ny 2ora tolakandro etsy amin’ny ESCA Antanimena. Haneho ny kantony amin’izany ireo okresitra sy Chorale rehetra nofaninana sy natsangan’ny Jejy Music Orchestra and Choir sy ny Ecole de Music Razakamahefa Hando, ary ireo mpanakanto hafa nasainy. Mpitendry mozika sy mpihira mihoatra ny 200 isa eo ho eo no hiara-hiantsehatra. Ho hita ao avokoa ireo kazarana zava-maneno rehetra misy na ny tendrena ny tsofina,… rehefa zava-maneno amin’ny mozika satria “rodoben-java-maneno” mihitsy no anarana nampisaloran’izy ireo izany, ary ny gadona rehetra no haseho aho, fa hiavaka kokoa ny gadona “classique”, arahin’ny gadona Malagasy entina hanehoana ny vokatry ny fikarohana momba ny fampianarana mozika nahatonga ireo “musiciens” sy mpiantsehatra afaka haneho ny kantony taorian’ny namolavolan’ny Ecole de Music Razakamahefa Hando sy ny Jejy Music Orchestra & Choir. Ny hetsika faharoa dia ny “Jejy Kilonga: Les Prodigues de Madagascar”, hatao ny 15 desambra 2021, hanehoanan’ireo ankizy manan-talenta miavaka manokana sy teknika avo lenta ny fahaiza-manaony. Amin’ny sarany 5000Ar monja no ahafahana misitraka izany, hoy ny mpikarakara. Tapany voalohany amin’io ny fiangaliana ny “Les quatres saisons de Vivaldi, hotendrena manontolo, ka tovovavikely miisa 5 no hiangaly izany dia i Henika vao 11 taona (Violon solo), Fitia Mendrika 13 taona (Violon 1), Hamboara 9 taona (Violon 2), Tsiky Henintsoa 16 taona (Viola), Hikalo 12 taona(Violencelle). Ny tapany faharoa kosa dia gadona maro samihafa iarahana amin’ireo namany hafa ao amin’ny Jejy Kilonga jazz standard, Malagasy, klasika hafa, ka ankizy eo amin’ny salan-taona 13 eo no hiangaly izany amin’ny alalan’ny lokanga, trompetra, valiha, piano, guitar basse. “Ny mozika dia manampy amin’ny fianarana, mamoha sy mampielatra ny atidoha, manampy amin’ny fivoaran’ny saina, amin’ny fifantohana,…”, hoy Rtoa Razakamahefa Miangaly, Talen’ny Ecole de Music Razakamahefa Hando.
Legende: Mampitolagaga ny fahafehezan’ireo ankizikelin’ny Jejy Music ny zava-maneno.
Toky R
 

Dans la même rubrique