airtel

kolontsaina

01-juil-2026

Jivà,

handeha lavitra amin'ny mozika

Sample post image

"Hiezaka hanandratra ny maha Malagasy aho"

01-juil-2026

Tanora vao erotretrerony anisan'ny nisongadina tao anatin'ilay fifaninanan-kira Fanilo Voice 2026 i Rajaonarivelo Ny Aina Kamy Jivà. Redemption song an'i Bob Marley, Mpiarakandro an'i D. Garry, man down an'i Rihanna,... ny hira isan'ny niangaliany sy nanehoany ny talentany. Ny Aina no nosafidian'ny mpanao gazety ara-kolontsaina anatin'ny Sorakanro ho "coup de cœur" tao anatin'ity fifaninanana ity. Tsy hijanona eo fa manohy ny mozika izay efa nifotorony talohan'ny fifaninanana izy, ka ny anarana Jivà no hoentiny eo amin'ny sehatry ny matihanina. "Hiezaka ny tsy handiso fanantenana eo amin'ny sehatry ny mozika sy ny kolontsaina satria ny antsika ny kolontsaina Malagasy no ezahana voizina voalohany", hoy izy rehefa nanontaniana ny tohiny ho azy taorian'ny Fanilo Voice. Namafisany ny hiezahana hametraka ny mozika sy ny kolontsaina Malagasy amin'ny toerany. "Na inona na inona hira hataoko eo dia mifototra amin'ny resaka hafatra, fa manome lanja ny maha Malagasy foana any any amin'ny fitafy sy akanjo rehefa miakatra an-tsehatra." Isan'ny zava-dehibe notovozina tao anatin'ny Fanilo Voice 2026, hoy izy, ny "coaching" na tan-tsoroka nentin'ireo mpitarika sady mpitsara ny lalao nahitana an'i Christian Salala, Rajery, Rijakely, fa isan'ny zava-dehibe ihany koa hoe hitan'ny mpampahalala vaovao ilay izy, ary hitan'i Madagasikara manontolo. Anisan'ireo 12 mbola hanohy ny fitetezam-paritra miaraka amin'ny Ilo Hôtel taorian'io fifaninanana io moa izy.
Toky R
 

Dans la même rubrique