airtel

kolontsaina

09-juin-2022

kolontsaina

Joseph Yoland “Mila ovaina ny raikipohy teren’ny mpanjanaka eto”

Sample post image

Efa nanao ilay hoe “Refondation du système pour le reel développement de Madagascar” ny tenako fony mbola CST, hoy ny mpanao politika, Joseph Yoland.

09-juin-2022

Nojerena araka izany, hoy izy, hoe inona no raikipohy hahafahana mampandroso marina ity firenena ity. Firenena nozanahana ity dia mila jerena izay. Tsy resaka fahaleovantena ara-tsakafo ihany na fanarenana ny lisim-pifidianana. Ireo harenantsika ireo tsy tokony alefa mivoaboaka any ivelany. Alefa mandehandeha fahatany any hatramin’izay ka hatramin’izao anefa ny volamena. Nanafatra mpampianatra avy amina oniversite maro ho tonga teto ny tena tamin’izany. Nisy ny fehinkevitra nivoaka tamin’izany izay nosoniavin’ireo mpikamban’ny CST miisa 135 amin’ny 150 tamin’izany. Tsy nanatrika fotsiny no antony tsy nahazoana ny sonian’ireo 15 ambiny. Mila ovaina ny raikipohy teren’ny mpanjanaka ampiharina eto. Io izao ny CENI fa miantso fikaonandoha. Tsy amaha olana eto Madagasikara io fa ataotao fahatany. Izany fikaonandoham-pirenena izany koa hakana ny hevitry ny olompirenena rehetra, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija

Dans la même rubrique