airtel

kolontsaina

01-juin-2023

kolontsaina

Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»

Sample post image

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

01-juin-2023

Tenim-pirenena, tanindrazana, tantara, kolontsaina, soatoavina ary finoana, hoy izy. Singa lehibe maha firenena ny firenena, noho izany, ny teny. Misy moa ny mbola miady hevitra ny amin’ny hoe manankasy sy malagasy fa ny fizotry ny tantara aloha izany dia malagasy no hahafantaran’izao tontolo izao antsika. Teny malagasy no tenim-pirenena. Anatin’ny ezaka ilofosanay, noho izany, ny fananganana ny fikambanana «Ny maha gasy» ho fiarovana ny maha izy ara-kolontsaina ilay firenena. Indrisy fa mbola tsy mizaka izany zo izany ny malagasy. Eo anivon’ny fitsarana fotsiny, ohatra, dia mbola be dia be ireo endri-javatra tsy izakan’ny malagasy ny zony. Hiady amin’ny olona iray ao amin’ny fitsarana, ohatra, ny tenako samirery ka maka mpisolovava ny andaniny dia miteny frantsay. Izay dia efa very zoko satria teny frantsay no itondrana ilay raharaha. Sehatra maro no lasa manome endrika ny fahasimban’ny teny malagasy amin’izao fotoana izao. Eo ny tambazotran-tserasera toy ny Facebook. Eo koa ny fomba fihiran’ny mpanakanto na ireo mpanao Slam sy ny toy izany izay ialana tsiny. Be dia be ny endrika fanimbana ny teny malagasy nefa ireny no natao ikoloana ny saina hatramin’ny ankizy kely ka hatrany amin’ny lehibe indrindra. Eo koa ny hajan’ny teny ho an’ny mpikabary. Lasa ampiasaina ifanevatevana izany ankehitriny. Lasa tsy misy hasiny. Lasa tsy misy hasiny koa ny teny nomena eo amin’ny sehatra politika. Ny endriky ny politika eto amin’ny firenena nandritry ny fotoana lava izao dia lasa raisin’ny olona ho lainga. Fivoarana mihemotra izao no misy amin’ny teny malagasy. Heritrereto hoe tsy misy «U» ny teny malagasy. Lasa misy izany nefa eny anelanelany izao ao anaty tambazotran-tserasera ao. Manimba ny endrik’ilay teny gasy izany na tiantsika na tsia. Fahotana eo anatrehan’ny mpahary fa tadidio anefa ny fanovaovana an’io teny io tsy ho araka ny tokony ho izy. Voasoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Genesisy izany. Tokony ho tsaroana mandrakariva fa tsy anatin’izao iray volan’ny teny malagasy izao fotsiny hoe maka ozona amin’ny mpahary isika raha manovaovao io teny malagasy io, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique