airtel

kolontsaina

23-nov-2021

kolontsaina

Kabary Malagasy Nomarihina tao Antsirabe ny faha-58 taonan’ny FI.MPI.MA.

Sample post image

Feno 58 taona katroka ny 16 novambra 2021 teo ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy na ny FI.MPI.MA, izay ny 16 novambra 1963 no niorenany.

23-nov-2021

I Antsirabe renivohitry vakinankaratra no nanjary renivohitry ny kabary malagasy maneran-tany nandritra ny faran’ny herinandro lasa teo (19 – 20 – 21 Novambra), izay tafiditra tao anatin’ny hetsika Fankalazana io faha-58 taonan’ny FI.MPI.MA io. Niseho tamin’ny endrika maro izany : Famoahana mpianatra kabary Andiany Mandimbisoa miisa 261; Fanasaloran-damba ireo mpikambana raikitra ; Fanomezana mari-pankasitrahana ireo mpikabary isam-paritany ; Fanomezan-danja ireo mpikambana naharitra sy nahavita be teo amin’ny fikambanana antsoina hoe “Voarabe”, ary ireo zokiolona antsoina hoe ‘Renala”; Fifaninanana lalao fanatanjahan-tena ; Fivorian’ny tompon’andraikitra rehetra eo anivon’ny FI.MPI.MA. ; nahatonga solontena ny lafy valon’ny Nosy sy ny any ampitan-dranomasina ; Atrikasan’ny fampianarana : fanamafisana ny fandaharam-pianarana. Nisy ihany koa ny Fifanaovantsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny FI.MPI.MA. sy ny ENSOA na ny Sekolim-pirenen’ny Manamboninahitra lefitry ny tafika Malagasy amin’ny fampianarana kabary. Nanana endrika manokana ity fihaonanana ity izay taorian’ny covid-19 satria nanjary nahafehezana ny teknolojia avo lenta ka nahafa na nampita fahalalana sy ny fihaonana tamin’ny mpikambana ivelan’ny nosy izay nisy firenenana 10 mahery ka cote d”ivoire no teraka farany ary tsy ho ela ny any Cameroun, hoy ny FI.MPI.MA. Tsy nanakana ny fifandraisana sy ny fifankalozana traikefa ny elanelan-tany. Nisy ihany koa ny Vatsim-pahalalana nentin’Atoa Nalisoa Ravalitera, Renala FI.MPI.MA. Nohatsaraina ny fandaharam-pianarana, nifanakalozana ny traikefa ary nampitoviana ny paikady amin’ny kabary ifanatrehan’ny samy mpikambana ka ny fifanajana sy ny fanandratana ny teny sy ny kabary Malagasy no zava-dehibe fa tsy ny fifanandrinana na ny fifanankianana tsy mitera-bokatsoa, ny teny sy ny kabary malagasy no asandratra fa tsy ny tena ary ny mpivory dia nomena vatsim-pahalalana ho tia sy hahay ny teny malagasy sy hampianatra ary hampitia izany amin’ny vahoaka maneran-tany manomboka amin’ny eto an-tanindrazana ka hatrany ivelan’ny Nosy. Any Fianarantsoa kosa no hotanterahina ny Zaikaben’ny FI.MPI.MA. , hihaonan’ireo mpikabary maneran-tany amin’ny 22 -28 aogositra 2022, araka ny fampahafantarana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap