ny kabeson’ireo mahery fon’i Madagasikara 3 lahy dia ny ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roalahy niara-niady taminy, hoy ny fampitàm-baovaon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera. Efa tamin’ny 5 taona lasa, izany hoe, ny 6 novambra 2020 moa no nampanantena ny hamerenana izany ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, izany hoe efa tamin’ny fotoam-piasàny voalohany, dia 5 taona aty aoriana izany kabeso izany vao tafaverina. Mitarika ny delegasionina malagasy any Frantsa ny minisitry ny kolontsaina sy serasera, Mara Volamiranty Donna, miaraka amin’ireo solontenan’ny fianakavian’ity ampanjaka ity sy ireo manam-pahefàna isan-tsokajiny. Ho raisina eto Madagasikara, manomboka eto Antananarivo renivohitra, mandra-pahatongany any Menabe, izay hanakambanana azy amin’ny taolam-balony ireto kabeso ireto, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
J. Mirija