tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

kolontsaina

Kanto mahakasika fiarahamonina Notolorana marim-pankasitrahana ireo mendrika

Taorian’ny andiany voalohany ny taona 2020 dia notolorana ny mari-pankasitrahana noho ny kanto nasehon’izy ireo

27-janv-2023

Sample post image

teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka indray omaly ireo mpanan-talenta 6 mianadahy mendrika indrindra tamin’ny andiany faharoa tamin’ilay tetikasa mitondra ny lohateny hoe “Demain sera mien”. Hetsika natao hanampiana ireo mpanakanto mivelona amin’ny zava-kanto izy ity, hoy ny fanazavan’ireo mpikarakara. Finiavan’ny filoha nanorina ny Fonds Yavarhoussen, Hasnaine Yavarhoussen, no niatombohany. Andrin’ny fampandrosoana firenena iray ny kanto sy ny kolontsaina. Maherin’ny 40 isa no nametraka tetikasa kanto tato fa 6 mianadahy no nomena ny amboara saingy 4 ihany no hitanareo eto fa ny 2 nandranto fianarana any ivelany, hoy ny fanazavana. Ny zavakanto mikasika ny jery na “art visual” no nojerena tamin’ity “Demain sera mien 2” ity. Ny andiany voalohany kosa nijerena ny karazana kanto misy rehetra. Ankoatran’ny fihavahan’izy 6 mianadahy eo amin’izay lafiny izay dia hita ho mahakasika ny fiarahamonina ny kanton’izy ireo sy ny lohateniny. Volana Raveloson na Ms V nitondra ny tetikasa mitondra ny lohateny hoe “I am a woman of color”. Fitia Randriamifidy na Sanka nitondra ilay hoe “Ireto maso mijery ahy, mibanjina anao mampitamberina”. Rose Kely Ranarivelo nitondra ny “Tsarasaotra”. Richianny Ratovo nitondra ny “Saribakoly vorodamba”. Andy Rasoloharivony nitondra ny “L’urgence de la foi” ary Fitiavana Ratovo nitondra ny “Iray lalana”. Mitentina 7 tapitrisa Ariary moa izany fanampiana azy ireo izany, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Legende: Izy 4 mianadahy isan’ny sangany
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fetin’ny paska ao Antsirabe Hanomboka ny 07 aprily ny Star Tour
27-mars-2023

Fotoana vitsy isika dia hankalaza ny fetin’ny Paska indray isika. Toy ny fanaony isan-taona dia nisafidy manokana ny

Card image cap
Luc, Mahery, Nini Kolibera Hitondra “Revy guitare” eny amin’ny Pho Resto Ivato
27-mars-2023

Etsy amin’ny Pho Resto Ivato no fotoana ny zoma 31 martsa izao manomboka amin’ny 8 ora alina. Hitondra ny antsoina hoe “Revy guitare”

Card image cap
Zara revy 2023 Hizaran’i Samoela ny reviny tanaty 28 taona
27-mars-2023

Efa ho 28 taona izao I Samoela sy ny ekipany no nitondra ny valizin-dreviny nanerana an’I Madagasikara tamin’ny alalan’ireo vazo miteny be dia be noforoniny, hoy ny mpikarakara ny fitetezam-paritra “

Card image cap
Hetsika Festival Dola beach Ezahana asongadina ny kolontsain’i Vatomandry
24-mars-2023

Ny 7 hatramin’ny 10 aprily izao no ho tontosaina any amin’ireo torapasik’i Vatomandry ny andiany faha 11 amin’ny hetsika Festival dola beach.

Voir plus