airtel

kolontsaina

28-sept-2022

kolontsaina

Karaman’ireo mpitsoka mozika 6 hetsy Ar isan’andro eo rehefa famadihana

Sample post image

Tsy araka ny nanampoizana azy ny karama raisin’ireny mpitsoka mozika ireny amin’izao vanim-potoanan’ny famadihan-drazana izao.

28-sept-2022

Mahatratra 6 hetsy Ar isan’andro mantsy ny vola raisin’izy ireny izany hoe : tafakatra 9 hetsy Ar raha telo andro misesy izy manafana lanonana famadihan-drazana iray. Fololahy eo ho eo izy no manao io asa io koa raha mbola entina mandeha amina toerana iray misy ilay fasan-drazana izy ankoatra ny famalifaliana eo an-tanana dia mbola hiantohana ihany koa ny fiara handehanany. Ankoatra ireo dia mbola hiantohana ihany koa ny sakafo hanin’izy ireny. Raha iray lovia isan’olona izany amin’ny ankapobeny dia roa lovia isan-dahy ny azy ireny miaraka amin’ny toakakely raha misy izany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpitsoka mozika iray dia tena mahavelona ity asa ity amin’ny ankapobeny. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa miankina amin’ny traikefan’ilay mpitsoka mozika ihany koa no hakan’ny olona azy na tsia. Rehefa tapitra indray ny vanim-potoanan’ny famadihana dia mandeha mitsoka mozika mitety tanana izy ireo ka mahazo hatrany amin’ny 50.000 Ar isan’andro raha kely. Dimy lahy indray izy ireo no miaraka manao izany asa izany. Tsy mametraka mari-bola izy ireo mandritra izany fa izay foin’ny olona no raisiny saingy misy amin’ireto farany no mahavita manome hatrany amin’ny 20.000 Ar rehefa tena tiany ilay fitsofana mozika laroina amin’ireo karazan-kira malaza ankehitriny.
Pati
Legende : Mahazo volabe ny mpitsoka mozika rehefa fotoanan’ny famadihana tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap