airtel

kolontsaina

06-juil-2021

kolontsaina

Keron Idealson “Tsy azo ekena fanohintohinana ny hasina maha olona”

Sample post image

Ilay hasina maha olombelona no voatohintohina, ny fomban’ilay foko , ny fomban-tany no voahosihosy ka tsy azo ekena kosa izany,

06-juil-2021

 hoy ny depiote Keron Idealson voafidy tany Ampanihy momba ilay fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety Gaelle Borgia tany Atsimo, nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavitra Real TV omaly.Tsy mety ary tena tsy rariny ny fanimbazimbana ireo mpiray tanindrazana tratry ny kere any Androy fa hoe nihinana faladian-kiraro hoy ity olom-boafidy ity; tsy hoe manao tambabe manenjika ilay mpanao gazety fa tsy maintsy ampahafantarina azy kosa hoe izao sy izao ny fomba.Tsy misy fanakanana mpanao gazety eto, tsy misy sivana fa mba tokony mahafantatra ny ataony kosa ny mpanao gazety rehefa manao ny asany.Ny tenako manokana dia anisan’ny mpisintona lakolosy sy mpanaitra amin’ny zavatra tsy mety na tsy mandeha araka ny tokony ho izy, mpanaitra amin’ny kere sy ny fahasahiranana ihany koa saingy efa nifampierako tamin’ireo mponina voakasika ny sary avoakako.Tsy maintsy manao izany aho sao misy fomba nakako sary na firafitry ny fehezanteny lazaiko manohintohina ireo olona ireo sy ny fombany, hoy ny depiote Keron Idealson.
RTT

Dans la même rubrique