airtel

kolontsaina

03-févr-2026

Lalàna mifehy ny zon’ny mpamorona

Misy tsy eken’ny sain’ny mpanakanto

Sample post image

Ohatran'ny tsy manaiky ny saina,

03-févr-2026

hoy ny mpanakanto eo anivon’ny tarika Rebika, Hery Tiana. Ny Mpamoron-kira mbola velona daholo ny ankamaroany sady tsy farofy, hoy izy. Ny Tarika mbola miodina sy mijoro tsara amin’ny fisehoana na any ivelany na eto an-toerana nefa dia misy mampiasa ilay hira izay tsy noforoniny akory. Ny manahirana dia fisehoana misy vidim-pidirana ho azy, na ry zareo, ilay seho ataony. Tsy misy an-kiera na fifanarahana amin’ny tompon-kira. Raha fetifetim-pianakaviana na revirevy sisiny na asa soa ka tsy hidiram-bola ho an'ilay mpihira na ny tarika mampiasa ny hira dia tsy misy olana mihintsy. Efa hay ny lalànan'ny zon'ny mpamorona fa sao dia tokony hitarina ilay fetran-taona hahazoan'ny hafa mampiasa ny sangan’asa, indrindra raha mbola velona sy mbola miasa tsara amin'izany ilay mpamorona. Ny ankoatr'izay dia misy fifanarahana manokana ary apetraka ao amin’ny OMDA. Raha efa maty moa ilay mpamorona, tsy afaka miteny intsony dia misy manararaotra, hoy hatrany izy. Manome sosokevitra ny amin’ny tokony hanisiana fanintsiana ny ampahan-dalàna mifehy izay zon’ny mpamorona ankehitriny izay moa ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

Mitantara i Cyprien Michel Raheriharimahefa

Card image cap
05-févr-2026

Ny mpitondra teo aloha namoafady, ny fanabeazana ara-kolontsaina tsy ampy

Card image cap
05-févr-2026

Nampahafantarina tetsy amin’ny Ivokolo Soarano Analakely

Card image cap
05-févr-2026

Rabejean Miarinarivo dia mpanao

Card image cap