airtel

kolontsaina

25-janv-2024

Lalàna mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana

Miantso ny fitondrana hampihatra azy ny ANTM

Sample post image

Hanamafy ny fiantsoanay ny fitondram-panjakana hampihatra ny tena lalàna mikasika

25-janv-2024

ny fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara izahay eto anivon’ny Fikambanam-pirenena momba izany na ANTM, hoy ity fikambanana ity, tetsy amin’ny biraon’izy ireo etsy Ivandry omaly. Mbola ilay lalàna tamin’ny fehezan-dalàna famaizana na “code pénal” tamin’ny 2005 no hampiharina ao amin’ny fitsarana, hoy ny filohan’ity fikambanambe ity, Josephin Andriandrainarivo. Ireo efa manara-dalàna indray matetika no hiharan’ny tsy tokony hihatra aminy. Ny mpitsabo iray, ohatra, raha misy nitory hoe namosavy ranona dia matetika afaka noho ny fisalasalana na afaka madiodio ilay olona satria tsy hita porofo hoe namosavy tokoa. Melohina kosa i ranona satria nampiasa fanafody gasy. Lalàna efa tsy tokony hihatra eto Madagasikara intsony izany. Ny fehezan-dalàna momba ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara sy ireo didy miaraka aminy tany amin’ny 2007 tany dia efa tokony hanafoana ny lalàna tany alohany. Ny didim-pitondrana napetraky ny minisiteran’ny kolontsaina laharana 13428/2015 ny 3 aprily 2015 no ahitana ny lisitr’ireo harentsaina eto Madagasikara ka ao anatiny ireo fitsaboana nentim-paharazana. Zava-maniry sy kakazo no ampiasain’ny 90% na mihoatra amin’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara. Misy ny tratra mitondra fotsiny anaty lasaka na harona dia efa enjehin’ny mpitandro filaminana. Efa tsy tokony hihatra intsony izany lalàna izany. Misy nefa ireo manao ny fitsaboana nentim-paharazana ho any amin’ny tsy tokony ho izy, manao bizina sy ny karazany tokony hampiharana ny lalàna velona efa manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Noho izany indrindra no nahatonga anay Naha tafatsangana ny sendikan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara ilaharanay amin’ireo mpanao asa rehetra manerana izao tontolo izao. Asa malalaka na “profession libéral” izany izy ity eto Madagasikara. Hampiofana ny mpikambana amin’ny lafiny lalàna sy fitondran-tena ny ANTM, indrindra, fanatsarana fomba fiasa. Tsy tahaka ny sasany hoe ampiofana olona 3 volana fa fanatsarana traikefa ho amin’ny talenta ifandovana. Izay rahateo no maha fitsaboana nentim-paharazana, hoy hatrany ny ANTM.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique