airtel

kolontsaina

28-oct-2026

LALAO

ÉCHECS 2026

Sample post image

Tompon-daka nasionaly

28-oct-2026

ny vehivavy sy ny zokiolona ‎
Voahosotra ho tompon-daka nasionaly 2026 amin’ny lalao échecs i Aina Mahasambatra Tsinjoviniavo, tao amin’ny sokajy vehivavy, ary i Herintsoa Ranaivoson, tao amin’ny sokajy zokiolona. I Kiara Sarobidy Rakotoninaly kosa no no nibata ny laharana fahafoa ho an’ny sokajy vehivavy hatrany ary i Soatiana Candy Koera no fahatelo. Teo amin’ny zokiolona, indray dia i Nirina Andriamaharo sy i Manitra Ignace Rabemananjara no nahazo ny laharana faharoa sy fahatelo. I Andriamparany Radavidra kosa no nahazo ny anaram-boninahitra teo amin’ny sokajy zokiolona indrindra. Nampivondrona mpifaninana avy amin’ny sokajin-taona samihafa ity fifaninanana ity, izay natao tao anatin’ny fifanajana tanteraka. Am-polony ireo mpandray anjara raha miisa 7 ireo nivoaka ho mpandresy. Ny faran’ny herinandro teo kosa no nanaovana ny fifaninanana. ‎
Pati
Legende : Ireo mpifaninana nandray anjara !

 

Dans la même rubrique