airtel

kolontsaina

11-oct-2021

kolontsaina

Lapan’ny Tanàna Analakely Raikitra ny fanandratana ny nofin’izao tontolo izao

Sample post image

Tontosa ny sabotsy teo tetsy anoloan’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely, ny fanokanana ilay tsangamby hanandratana ny nofin’izao tontolo izao izay manana sakany sy lavany 8 metatra

11-oct-2021

 eo avy ary hatevina 2 metatra eo. Ilay mpanakanto iraisam-pirenena Malagasy sady nianatra haitaotrano, Joel Andrianomearisoa, no tompon’ny hevitra ary fiaraha-miasany sy ny ivon-toerana ara-javakanto ankehitriny na ny Hakanto Contemporary, izay rantsana ao anatin’ny Fond Yavar Houssen, miaraka amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra kosa no nahafahana nametraka izany manoloana ny lapan’ny tanana. Nanomboka ny volana febroary izao sy ny ekipako, hoy ity mpanakanto ity, no nanomboka niasa mikasika ity tetikasa izay efa naharitra herintaona ity. Manana fitiavana lalina an’Antananarivo ny tenako satria vintana lehibe ho ahy no teraka teto ny taona 1977. Toerana nahafahako nitombo sy nivelatra ary teraka teto toa ahy in-dray andro koa ny iray tamin’ireo kintan’ny kanto sy soratra Malagasy dia I Jean Joseph Rabearivelo. Ny irariana dia mba hanonofy antsika koa izao tontolo izao, hoy izy. “Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao” no soratra eto kosa, hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, satria fotoana hanavotana an’Antananarivo izao. Avelao i Antananarivo hanonofy, hoy izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap