Ny akaiky indrindra izao, hoy izy, dia ny tamin’ny akaikin’ny fetin’ny mpifankatia satria efa fombako isan-taona moa iny dia tamin’ity ny lohatenin’ilay hira hoe “Vadiko malala”. Vao iray volana izay no lasa ny fetin’ny mpifankatia. Tsy natao hirotorotoana ny kanto. Isaorana ny mpankafy rehefa mipetraka ny anarana satria ankafizin’olona izany ny zavatra ataonao. Sarotra be nefa ny mitazona an’izay haharitra. Izao aloha no miezaka ny ho afa-po voalohany amin’ny kanto vokariko izay vao sahy mamoaka azy amin’ny mpankafy. Raha ny fandaharam-potoana akaiky indrindra dia amin’ny alatsinain’ny paska any Ambositra. Raha sitrapon’Andriamanitra moa dia hankalaza ny faha 20 taona koa amin’io taona hoavy io. Miha mahay mihira ny tanora ankehitriny ary manga feo. Be koa anefa ireo te ho hita fotsiny nefa ny laza tsy terena fa mila tiavina aloha ilay mozika. Mipetraka ho azy ianao rehefa tsara sy tianao ny zavatra ataonao. Mahafinaritra ankoatran’ny efa voalaza teo koa ny fivoaran’ny tekinolojia any anaty rakitsary saingy ny hafatra amin’ireo zadrikely dia ny hoe aza mirotoroto. Be dia be tamin’ireo nanao mozika taty aoriana no nalaza tampoka dia tsy hita intsony avy eo vetivety teo. Ilaina ny manaraka ny fivoaran’ny zava-misy fa mila apetraka foana ny maha ianao anao. Izaho izao hitanareo somary nampivoatra gadona kely fa ao foana ilay maha Lianah an’i Lianah, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.
Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990
Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.
Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.