airtel

kolontsaina

06-mars-2025

LOLA

Eny amin’ny La City Ivandry ny fotoana rahampitso !

Sample post image

Hanatanteraka fampisehoana etsy amin’ny Food Court La City Ivandry i Lola,

06-mars-2025

mpanankato tsy zoviana amintsika intsony. Ny datin’ny Zoma 07 Martsa ho avy izao manomboka amin’ny 08 ora alina no hanatontosany izany amin’ny alalan’ny Cabaret concert. Raha araka ny fanazavan’i Lola dia hiavaka ity fampisehoana hataony ity. Sady ho afaka miara-maka sary aminy mantsy ireo mpankafy no afaka hiresadresaka ihany koa raha ilaina izany, faran’ny herinandro hanokafana fifaliana indray mialohan’ny hitsenana ny herinandro vaovao. Ny RDJ raha tsiahivina no mikarakara ny hetsika izay marihina fa nikarakara ny fampisehoana notanterahin’i Bodo tamin’ny datin’ny Zoma 28 Febroary lasa teo ihany koa. Hira am-polony no hohirain’i Lola amin’izany ka anisan’ireny i Nadety, hira izay tena nahafantaran’ny maro azy tokoa.
Pati
Legende : Ela tsy nihaona tamin’ireo mpankafy azy i Lola !
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Nirarakompana ny faran’ny herinandro teo ny tsikera nahazo ilay mpihira Wawa, indrindra,

Card image cap
30-mai-2025

Vonona Hampandroso hatreny ifotony ny teny sy ny soa toavina Malagasy ny fikambanana

Card image cap