Araka ny efa nahazatra azy an-taona maro moa izao dia ao amin’ny La Cigale, ao Paris, Frantsa, no hanatanterahany ity fampisehoana ity. Efa eo am-panomanana fatratra sahady izany ny lehilahy, raha ny fampitam-baovao voaray, ka heverina noho izany fa hiavaka noho ireo efa hita hatramin’izay izany amin’ity indray mitoraka ity. “Bonbon gasy”, “Lemizo”, “Lekoma”, ela no tsy nahenoana an-tsehatra izany teto an-tanana niaraka tamin’ity mpanakanto ity fa dia hahazo tombony manokana aloha izany ry zareo any Paris, hoy ireo mpankafy.
J. Mirija
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity