airtel

kolontsaina

25-mars-2021

kolontsaina

Lolo sy ny Tariny Lavon’ny Covid-19 i Sammy

Sample post image

Lavo ny andrarezina iray teo amin’ny tontolon'ny kanto. Nodimandry ny talata teo, teo amin'ny faha-66 taonany i Sammy Rabenirainy

25-mars-2021

 

 

 

 na Samuelson Daniel Rabenirainy. Lavon’ny zava-kanto i Sammy, taorian’ny fandraisana an-tànana azy teny amin’ny Hopitalin’Anosiala, ary notanterahina omaly ny fandevenana azy. Mpikambana sady namorona ny Tarika Lolo sy ny tariny izy, mpitendry lokanga na “violon”, mpihira,... Nianatra manokana momba ny haifiarahamonina na “sociologie”, ary niompana betsaka tamin’ny serasera sy ny zava-kanto ny ankamaroan’ny asa sy andraikitra notanany. Efa nitana andraikitra ambony maro ankoatra ny zava-kanto nahafantarana azy, ka isan’izany ny naha Tale Kabinetran'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera (1993-1995); Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA (1993-1997),…. Manampahaizana manokana momba ny feo, ary mpampianatra sy mpanofana momba izany ka maro ireo efa nizarany fahaiza-manaony, efa tale teknika tao amin’ny orinasan-tserasera MBS,… Isika eto amin’ny Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny Tarika Lolo sy ny tariny sy ny fianakavian’Ii Sammy manontolo.

 Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap