ho fanomezam-boninahitra an’i Fanja Andriamanantena oloben’ny zavakanto sy kolontsaina Malagasy, dia nampahafantarina sy natolotra ofisialy ny sabotsy 20 desambra teo tetsy amin’ny Makay Analamahitsy ny « Collector ». Mari-pahatsiarovana lehibe manamarika ny fankalazana ny faha 80 taonany sy ny faha 60 taona niakarany an-tsehatra io. Mirakitra fahatsiarovana lalina sy ny dian’i Fanja Andriamanantena tamin’ny famoronana sy ny fizarana mozika, ary ny manodidina ny fiainany manokana am-polo taonany maro ny «Collector ». Amin’ny alalan’ny Collector, i Fanja dia mizara ny diany ara-javakanto tsy manam-paharoa: ny andiany Mozika Tsotr’izao 1, 2, 3 ary 4, ny sombin’ny seho sy hira noforoniny sy nataony izay tao no nohirainy fa maro be ihany koa ireo nozarainy tamin’ny mpanakanto Malagasy, ary koa famoronana vaovao tsy mbola tsy nivoaka.
FAHATSIAROVANA LEHIBE
Ny fahatsiarovana hita maso ihany koa no mandrakitra ny Collector, ka misy sary 250 nalain-dry Mika Sary, Felana R., Franky Dovan, Masy,… mirakitra ireo fotoana feno fihetseham-po teny an-tsehatra, ny famoronana ary ny fifampizarana niainan’i Fanja sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny Collector noho izany dia hipetraka ho lova ho lova tsy manam-paharoa ho an’ny taranaka ho avy, amin’ny endrika boky voaravaka mozika sy horonan-tsary, manaraka ny dian’olombelona sy ara-javakanto an’ny « Mozika Tsotr’izao », isan’ny niavaka indrindra teo amin’ny famoronan’i Fanja Andriamanantena. Amin’ny maha lova napetraka ho tsy manam-paharoa ho an’izay manjifa azy, dia tsy misy afatsy 100 monja ny natonta tamin’io Collector io, izay mahatratra 32Go ny hadirin’ny zavatra mirakitra ao anatiny.
NY FIHIRANA NO TSIAMBARATELOKO…
Ambohipihaonan’ny mpakafy noho izany ny tontolo andron’ny sabotsy teo tetsy amin’ny Makay Analamahitsy izay nanoloran’i Fanja Andriamanantena ny kanto avy any aminy sy ny maha tsangam-baton’ny mozika Malagasy azy. Mbola nanehoany tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny herimpony sy ny finiavany hihira hatrany, ka anisany tsiambaratelon’ny fahombiazany sy ny tanjany lalandava na efa 80 taona aza ny tenany ny fanohizany hihira hatrany hatrany, ka nilazany ny hoe : « Tsy ho afaka amin’ny hira ary, ary hihira foana mandra-pahafatiko », rehefa nanontaniana. Mpanakanto maro no tonga nanotrona sy nifampizara ny kanto tamin’i Fanja Andriamanantena niaraka tamin’ny mpankafy ny sabotsy teo, nisian’ny « Séance de dédicace » sy seho samihafa, noravahan’ny fampiratiana an-tsary,…Mirary soa hatrany ho an’i Fanja Andriamanantena e !
Toky R