ao an-toerana amin’io fotoana io ry Luc sy ry Mahery ary Nini Kolibera, hoy ny fampitam-baovao. Ireo hira nanamarika ny fotoana mamy nialana sakana na fony mbola adolantsento no ho revena amin’ny alalan’ny gitara, hoy hatrany ny fanazavana. Efa tsy zoviana amin’ny filalaovana feo sy famelomana amin’ny fomba hafa mihitsy ireo vazo tsy tontan’ny ela moa raha ry zalahy ireto ka dia asakasak’izay tsy ho avy, hoy ny fitenenana izay.
J. Mirija
Fombantsika efa hatramin’ny andron’ny Ntaolo ny manome toerana mihaja izay vahiny miantrano ary mampandroso azy eo «avara-patana».