Maitre Gims izay anisan’ny mpikambana ao amin’ny Sexion d’Assaut. Isan’ireo mpanakanto Frantsay efa nanatanteraka fampisehoana teto Madagasikara izy ary hiverina hiseho eto indray ny sabotsy 10 jona ho avy izao manomboka amin’ny 6 ora hariva etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Fampisehoana iray entina mampivondrona indray ireo mpankafy ity mpanakanto mivohy ny gadona Rap sy Hip Hop ity izy io, hoy ny fanazavana tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo omaly, fa hanomezana sehatra ihany koa ireo mpanakanto malagasy satria hanafana ny tapany voalohan’ity fampisehoana ity ry Ceasar, Nael ary Mr Sayda. Haharitra 4 ora ny fampisehoana ary ho hirain’ity mpanakanto ity miaraka amin’ireo mpitendriny manokana avokoa, izany hoe ho tendrena, ireo hira ho ataony amin’io, hoy hatrany ny fanazavana nandritry ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ity fampisehoana ity omaly.
J. Mirija