Hanafana etsy amin’ny Piment Café Antanimena ny tenany amin’io fotoana io, hoy ny fanazavana. Ankoatran’ny fiangaliany ireo hira noforoniny manokana sy samirery ny hiran’ny tarika Johary dia fantatra hatramin’izay amin’ny findramana sy fameloman-kiran’olona ihany koa moa ny lehilahy. Eny an-toerana moa no mahita ny tsirony, hoy ny fiteny mahazatra izay, fa ny fantatra aloha dia i Fy no eo amin’ny vatamaroafitsoka, Titan no mively aponga, Hasina no gitara beso, Tsanta no eo amin’ny traompetra.
J. Mirija