tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

Makua Tour 2022 Noporofoan-dry Shyn fa mahavita zavatra tsara ny Malagasy

Ankoatry ny fahatapahan’ny herinaratry ny jirama teny amin’ny faritra ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ka naha semban-drahona ny fampisehoana dia matotra,

31-oct-2022

Sample post image

matihanina, kanto ary hita fa tena tsara fanomanana ny Makua Tour 2022 omaly alahady.Nasehon’i Shyn sy Denise ary ny ekipany fa mana-talenta no sady mahay manao fampisehoana izy ireo ; jiro, haingon-tsehatra, fampiasana ny teknolojia dia hita tao daholo.Namaky lay i Joyce Mena tamin’ny 3 ora tolakandro tonga dia nafana ny sehatra. Fa nanome ny tsara indrindra tany aminy ihany koa anefa ry Shadow Bangs, Lion Hill, LJo , Dalvis sy Boy Black.Nafana ny ambiansy rehefa niaka-tsehatra i Denise ary niaraha-niredona ny ankamaroan’ireo hira, misaotra anareo aho manana mpijery hendry sy mahafinaritra hoy Denise izay hita fa nihetsi-po tokoa.Aorian’ity fampisehoana voalohany teto Antananarivo ity dia hitodi-doha ho any am-pita ny Makua Tour ary amin’ny taona vaovao 2023 no hanomboka kosa ny fitetezam-paritra eto Madagasikara.Efa nofinofinay hatramin’ny niandohanay nihira ny hanao fampisehoana lehibe ao amin’ny « Palais des Sports » hoy i Shyn ka fanatanterahana izany no natao ary natao tsara. Rariny sy hitsiny raha manao zavatra matotra sy matihanina isika Malagasy eto amintsika fa tsy hoe rehefa any ivelany vao manezakezaka .Mendrika hahita sy hihaino zavatra tsara ny Malagasy, ary tsy ekentsika ilay hoe Madagasikara firenena mahantra indrindra fa hiezaka isika, hoy izy.
RTT
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus