airtel

kolontsaina

22-mars-2023

kolontsaina

Malagasy Iray Hasina « Fomba fa tsy finoana ny taom-baovao Malagasy »

Sample post image

Miteraka resabe eto amintsika hatrany ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy isaky ny volana Martsa tahaka izao. Misy mantsy ireo mihevitra fa tena fanompoana hafa mihitsy izy ity,

22-mars-2023

antony nanosika an-dRandriamihanta Victorio, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Malagasy Iray Hasina na ny MAIHA nitondra fanazavana mifandraika amin’izany omaly. Nankalazaina nanomboka omaly talata 21 martsa ka hatramin’ny anio 22 Alarobia Martsa mantsy ny taom-baovao Malagasy amin’ity taona ity. Nambarany nandritra izany fa tsy misy hidiran’ny finoana fa fomba ny taom-baovao Malagasy. Rehefa fotoanan’ny tsinambolana mialohan’ny Paska tahaka izao hoy izy dia tsy maintsy midio ny rehetra. Midio hatramin’ny firenena hoy izy taorian’ny fotoam-pahavaratra nisian’ny ranon’orambe mialohan’ny handraisana ny fafy rano na tso-drano hahafahana miatrika ny taona vaovao indray mba hananana fiainana tsara. Toy ny fomba rehetra ihany izy io hoy hatrany Randriamihanta Victorio. Ho an’ny Sakalava ohatra dia ny Fitampohq ny azy no hataony. Ho an’ny Betsimisaraka dia ny Tsaboraha, ho an’ny foko Merina dia ny Alahamadibe….Notsiahivin’ity tompon’andraikitra eo anivon’ny MAIHA ity moa fa ny fidiovana sy ny fifanajana no tena zava-dehibe ao anatin’ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy. Fomba iray manazava ny fahendrena Malagasy izy io hoy hatrany izy no sady hany lalan-tokana hahafahana mampifandray ny Malagasy. Marihina moa fa mbola olana goavana amin’ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy eto amintsika ny fahasamihafan’ny daty hanamarihan’ireo fikambanana mankalaza izany eto amintsika. Tsy mbola misy mihitsy hatreto ny marimaritra iraisana nefa samy milaza ho manana ny marina avokoa izy ireo. Ny fikambanana mpandala ny maha-Malagasy tahaka ireny anefa no tena tokony hampiseho maodely hanehoana izay fihavanana Malagasy izay.
Pati
Legende : Tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly nandritra ny fisantarana ny taom-baovao Malagasy
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap