Nomarihina omaly 15 jona 2026 ny fetim-pirenena Rosianina. Nisy ny fanamarihana izany niarahan’ny masoivohony eto sy ny solontenam-panjakana nahitana ny Praiminisitra, Filohan’ny Antenimierampirenena, depiote maromaro,… Navoitra ny ambara fa fihamafisan’ny fiaraha-miasan’ny Firenena roa tonta. Namafisin’ny mpiandraikin-draharaha mpisolo toerana ny Federasiona Rosianina eto Madagasikara Alexeï BURIAK tamin’ny fandaharana natokana hiresahana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenena vahiny tao amin’ny RNM moa ny momba ny fifandraisana, fa nitombo sy nihamafy hatrany ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta nanomboka tamin’ny fiandohan'ity taona ity, indrindra eo amin’ny sehatry ny toekarena, ny fanabeazana ary ny kolontsaina. Eo amin’ny lafiny toekarena, mbola manondrana varimbazaha ho an’i Madagasikara i Rosia. Misy amin’ireo entana ireo anefa no mandalo any amin’ny firenena hafa alohan’ny hahatongavany eto amin’ny Nosy. Anisan’ny lehibe ny mety hisian’ny zotra an’habakabaka mivantana hampitohy an’i Rosia sy Madagasikara. Mahatratra 10 304 km eo moa ny elanelan’ny tany roa tonta, izay 18 ora hatramin’ny 26ora eo no hanaovana azy miaraka amin’ireo fiatoana na « escales » tsy maintsy lalovana. Nambaran’izy ireo fa vatsim-pianarana manodidina ny 45 no natokana ho an’ireo mpianatra malagasy maniry hanohy ny fianarany any Rosia amin’ity taona ity , ny fanofanana mpampianatra teny Rosianina eny amin’ny Oniversite, ny fampiroboroboana ny teny rosiana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny hetsika sy fifanakalozana ara-kolontsaina maro samihafa,... Eo am-panatanterahana ihany koa ny tetikasa Trano Rosiana (Maison de Russie), iarahana amin’ny African Initiative, ny masoivoho, izay mikendry ny hanamafy ny fisian’ny kolontsaina rosiana eto amin’ny firenena. Maneho sy manamafy, ary tena manao serasera ny Rosianina fa tena manga ny lanitra eo amin’ny Firenena roa tonta. Vao ny herinandro lasa teo no nanolotra ireo « engins » maro, ankoatra ireo fitaovana hafa teo aloha,… Tany amin’ny fiandohan’ny volana mey raha nanamarika ny fandresena ny ady lehibe faharoa, dia niavaka ny fihetsiky ny Rosianina izay nanamarika ny hoe :“izao no voalohany nisian’ny fankalazana niaraka tamin’ny Rosia teto Madagasikara.” Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny 9 mey ho daty ara-tantara, sady nanameloka ny fikasana hanoratra indray ny tantara sy hanadio ny nazisma izay ny Tandrefana no tiany hasiana. Na izany aza, maneho diplaomasia misokatra amin’ny lafivalon’izao tontolo izao izay mety ahazoana tombotsoa na « toutes azimuts » ny Fitondrana Malagasy. Asa manao ahoana ny fahitan’ny Tandrefana ny fihetsiky ny Rosianina eto ?
Toky R
Natomboka ofisialy ny sabotsy 13 jona teo,