airtel

kolontsaina

11-nov-2021

kolontsaina

Marc Ravalomanana “Hamelona ny hambom-po Malagasy ny tetikasa Nampoina”

Sample post image

Isan’ireo tonga nanotrona ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanatontosana ny sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Nampoina”

11-nov-2021

tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Tsara ilay tetikasa, hoy izy, satria mamelona indray ny tantara maha Malagasy ny Malagasy. Tadidio fa ny maha firenena ny firenena dia ny tany aloha, ny mponina ao aminy, ny fananany na harenany. Mihena hatrany, raha ny voalaza teo, ny ambo-po maha Malagasy. Miha sahirana tsinona ny olona dia lasa malahelo sy menatra izy. Ity tetikasa ity hamelona indray ilay hambom-po hoe Malagasy aho. Misy hevi-dalina be ao anatin’io tetikasa io. Atao mihitsy izay hampalemy ny Malagasy amin’izao fotoana izao mba ho mora atao amin’izay tiana anaovana azy. Miharitra ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy mety ilay miharitra. Andao isika hiray hina! Amin’izao fotoana izao isika no mahantra, sahirana, tsy mahita izay atao fa raha miray hina isika handrodana izay tsy mety rehetra izay fa hanangana vaovao dia mety. Tsy maintsy mampiseho ny firaisam-pirenena ny Malagasy. Mila amboarina mihitsy aloha ny saina satria ny olona rehefa matanjaka ny sainy dia manana finiavana hanatanteraka zavatra izy. Rehefa izay finiavana izay no tsy ao dia andrakandrana no betsaka. Mikasika ny fanambaran’ny filohan’ny HCC teo aloha, Jean Eric Rakotoharisoa, dia tsy mikitrana irery ny vy, hoy hatrany ity filoham-pirenena teo aloha ity. Aleoko mangina. Tsy foana ny fanantenana raha mbola misy koa ny farany. Mety nitambesatra tao anatiny loatra ilay feon’ny fieritreretany. Naninona no elabe taty aoriana izy vao nilaza? 3 andro, 4 andro, herinandro? Ny vy tsy mikitrana irery. Tsy nisy namoaka iny raha tsy nisy porofo. Mamoafady izany ary famadihana tanindrazana mihitsy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap