airtel

kolontsaina

25-nov-2021

kolontsaina

May ny Biraon’ny CNRE sy CNRIT Asam-piakarohana maro no potika sy rava

Sample post image

Nirehitra omaly alarobia 24 novambra 2021 maraina tokony ho tamin'ny 3 ora sy sasany mahery tany ho any ny trano iombonan'ny CNRIT (Centre National pour la Recherche Industrielle et Technologique)

25-nov-2021

 sy ny CNRE (Centre National de Recherche sur l’Environnement). « Araka ny fantatra dia akoson’aratra na “court circuit » tao amina efitra iray no nitarika ny fahamaizana ka nihitatra tamin'ny efitra hafa », hoy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) omaly maraina. Nambara fa tonga ara-potoana ny mpamonjy voina saingy sarotra ny fifehezana azy noho ny fisian'ireo « gaz » isan-karazany izay ampiasaina amin'ny asa fikarohana.Trano famakiam-boky iray, laboratoira 2, birao 3 , ary trano fitehirizana 5 , ireo no nolalovan'ny afo, hoy hatrany ny fampitam-baovao ofisialy. Nidina teny an-toerana ny Tale Jeneralin'ny fikarohana siantifika, Tale CNRIT, Tale CNRE sy ny “brigade criminelle” ary ny polisy Siantifika hanao ny fanadihadiana. Nisy boky maro tokony hanaovan’ny mpianatra “soutenance” no lasa lavenona, tahaka izany ihany koa ny boky maromaro momba ny fikarohana nataon’ny teknisianina Malagasy izay tena sarotra ny hamerenana azy, rah any firesaky ny tompon’andraikitra teny an-toerana omaly.Tra-doza tahaka izany ihany koa ireo fitaovana fampiasa amin’ny asam-pikarohana.
COURT-CICUIT ?
Betsaka no tsy mino sy miahiahy fa tsy mitombina ny hoe: “court-circuit” izany. Amin’ny fomba ahoana no tonga dia ahafahana milaza avy hatrany fa “court-circuit” no niseho amin’ny andro amin’ny 3ora maraina mahery sa nisy olona tao anatiny tao nahita ny tena zava-nitranga? Nahoana no hatramin’izay tsy nisy izany “court-circuit” izany ka ao anatin’izao fotoana misy toe-draharaha maro mifamahofaho izao no misy an’izany tampoka? Nialohan’izao rahateo, dia nisy ny dosie goavana mikasika ny valanjavaboaharin’I Tsimbazaza (PBZT) ka teo ny fidobohana am-ponja vonjimaikan’ny Tale ny alatsinainy teo noho ny raharaha goavana, toy ny fitantanana tsy mazava ny volabe 320 tapitrisa Ar nampidirina tao anatin’ny tetibolan’ny PBZT. Toy izany ihany koa ilay raharaha fikasana hanome fitantanana ny PBZT ho an’ny Groupe Axian,… Fifandrifian-javatra ihany ve ity fahamaizana ity sy ireny toe-javatra ireny sa misy ifandraisany? Maro no mihevitra sy maneho fa tsy loza toy ny loza rehetra ity niseho ity, fa tena fandoroana niniana natao na “incendie criminelle” satria misy zavatra mety tiana hafenina sy holevonina. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ka dia andrasana ny tohiny.
AHIANA HO VERY AN-JAVONY
Somary mahagaga ihany koa fa tena tian’ny afo ny birao mikasika sy miantsoroka ny resaka tontolo iainana. Tsiahivina fa ny 15 jolay 2020 dia toy izao ihany koa ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana na ONE (office national de l'environnement) tetsy Antaninarenina. Hatramin’izao tsy voaarina intsony, fa dia mihanjahanja ao. Nolazaina fa misokatra sy mandeha ny fanadihadiana tamin’izany fotoana izany, saingy mandrak’ity ny androany tsy re intsony ny tohiny. Ahiana ho very an-javony toy izany ihany koa ity indray mitoraka ity !
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap