airtel

kolontsaina

16-août-2022

kolontsaina

Mbola Talenta, Beauzaka De Mala Tarika,… Hampianoka bàgasy any Soavinandriana

Sample post image

Itasy Anoka bàgasy, io no lohatenin’ny fampisehoana anaty trano fisakafoana na “Cabaret concert” ao Soavinandriana Itasy sy manondidina ny 26 oagositra izao.

16-août-2022

Hianoka bàgasy isika miaraka amin'i Mbola Talenta, Beauzaka De Mala Tarika, Haja (Telofangady), Marcelin Ralanto ao amin'ny Auberge Mangarivotra, Soavinandriana Itasy amin’io fotoana io manomboka amin'ny 8 ora alina, hoy ny fanentanan’ny mpikarakara. Araka ny fanazavana hatrany dia tsy misy afa-tsy feon-gitara sy ireo mozika gasigasy rehetra no hanarahan-drizalahy ireto ny hira ifandimbiasany avy. Ho an’izay mbola tsy naheno an-dry “Sipa mainty kely”, “Bisous Rakakabe”, “Gasikara” sy ny hafa rehetra amin’ny endriny an-tsehatra ankehitriny hiangalian-drizalahy ireto na ho an’izay tem bola hankafy izany fotsiny izao fotsiny, araka izany, dia amin’io no fotoana. Hampianoka bàgasy ry zalahy!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap